Ny Baibol, Ezekiela, Chapter 43. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10845&pid=28&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ezekiela

Ny Baibol

Fitomaniana Ezekiela Daniela

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48

1 [Ny nidiran'ny voninahitr'i Jehovah ho ao amin'ny tempoly, sy ny teny nampitondrainy tamin'izany] Ary nentiny ho any amin'ny vava;) hady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.

2 Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny.

3 Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.

4 Ary ny voninahitr'i Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.

5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.[Na: rivotra]

6 Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.

7 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,[Heb. fatin']

8 tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.

9 Fa amin'izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin' ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.[Heb. fatin']

10 Hianao, ry zanak'olona, asehoy amin'ny taranak'Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin'ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.

11 Ary raha menatra ny amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.

12 Izao no lalàna amin'ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon'ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin'ny trano.

13 [Ny amin'ny alitaran'ny fanatitra odorana sy ny fanokanana azy] Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.

14 Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.

15 Ary ny fanambonin'ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana dia hisy tandroka efatra.[Heb. Harela = tendrombohitr'Andriamanitra][Heb. Ariela = fatan'Andriamanitra, na lion'Andriamanitra, ka tokony ho anaran'ny momba ny fanambonin'ny alitara ireo]

16 Roa ambin'ny folo hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,

17 Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.

18 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:

19 Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.

20 Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]

21 Halainao koa ny vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.

22 Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin'ny vantotr'ombilahy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]

23 Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]

24 Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.

25 Hafitoana no hanateranao osilahy isan'andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr'ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.

26 Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an'ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.[Heb. hamenoana ny tànany]Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.

27 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.

<< ← Prev Top Next → >>