Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Hosea

Ny Baibol

Daniela Hosea Joela

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14

1 [Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]

2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.

3 Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.

4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.

5 Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?[Na: Ataony ho zava-maharikoriko][Heb. aminy][Heb. tohany]

6 Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.

7 Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.

8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.

9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny [Heb. fitiavany]

10 Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.

11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.

12 Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.

13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.

14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.

<< ← Prev Top Next → >>