Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Amosa

Ny Baibol

Joela Amosa Obadia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9

1 Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.

2 [Ny loza hanjo ny firenena enina amin'ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.

3 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]

4 Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.

5 Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]

6 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]

7 Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;

8 Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo

9 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]

10 Fa haterako afo ny mandan'i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany

11 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]

12 Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben'i Bozra izany

13 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]

14 Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.

15 Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.

<< Prev Top Next → >>