Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Amosa

Ny Baibol

Joela Amosa Obadia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9

1 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny]

2 Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.

3 Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana (?)]

4 Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;

5 Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.

6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.

7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.

8 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.

9 Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky]

10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.

11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.

12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô.Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.

13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.

<< ← Prev Top Next → >>