Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Amosa

Ny Baibol

Joela Amosa Obadia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9

1 [Ny fahitana ny amin'ny valala, sy ny afo, ary ny Pilao] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.

2 Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.

3 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.

4 Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.

5 Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.

6 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.

7 Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.

8 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;[Heb. handalo azy]

9 Dia ho foana ny fitoerana avon'Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin'Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak'i Jeroboama.

10 [Ny natao tamin'i Amosa tao Betela, sy ny teny nataony tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,

11 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely.

12 Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;

13 fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.

14 Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,[Na: mpandraotra][sykomora]

15 saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko.

16 Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.

17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.

<< ← Prev Top Next → >>