Ny Baibol, Zefania, Chapter 3. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10910&pid=38&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Zefania

Ny Baibol

Habakoka Zefania Hagay

Chapter 1 2 3

1 Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!

2 Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.

3 Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina. [Lopa] [Na: tsy mamela taolana]

4 Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.

5 Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.

6 Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.

7 Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.[Heb. fonenany] [Heb. azy]

8 Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.

9 [Ny amin'ny hibebahan'ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely] Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina. [Heb. soroka iray]

10 Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy. [Na: hitondran'ny mpivavaka amiko ... ny fanatitra ho ahy]

11 Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.

12 Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany,

13 Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.

15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.

16 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.

17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [Heb. hangina]

18 Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy. [Na: efa lavitra] [Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny]

19 Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. [Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra]Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.

20 Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.

<< ← Prev Top Next >>