Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Zakaria

Ny Baibol

Hagay Zakaria Malakia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14

1 [Fitarihan-teny] Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:

2 Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah.

3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.

5 Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?

6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

7 [Fahitana voalohany: ny amin'ny mpitaingin-tsoavaly eny amin'ny rotra] Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:

8 Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. [myrta][Na: amin'ny alokaloka]

9 Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.

10 Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. [myrta]

11 Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]

12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.

13 Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.

14 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.

15 Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.

16 Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.

17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.

<< Prev Top Next → >>