Ny Baibol, Evanjelin’i Matio, Chapter 2. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10931&pid=42&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Evanjelin’i Matio

Ny Baibol

Evanjelin’i Matio Evanjelin’i Marka

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28

1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:[Magy = olon-kendry]

2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.

3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra.

4 Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy?

5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:

6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1).

7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.

8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

9 Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.

10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.

11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.

Evanjelin’i Matio 2:11 - The Magi Visit Jesus
The Magi Visit Jesus
12 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.

13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

Evanjelin’i Matio 2:13 - Angel Tells Joseph to Flee to Egypt
Angel Tells Joseph to Flee to Egypt
14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;

Evanjelin’i Matio 2:14 - The Flight to Egypt
The Flight to Egypt
15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).

16 Ary nony efa fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy.

Evanjelin’i Matio 2:16 - Herod Kills the Baby Boys
Herod Kills the Baby Boys
17 Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe:

18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).

19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe:

20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely.

21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely.

22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany Galilia.Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.

23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.

<< ← Prev Top Next → >>