Ny Baibol, Evanjelin’i Matio, Chapter 3. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10932&pid=42&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Evanjelin’i Matio

Ny Baibol

Evanjelin’i Matio Evanjelin’i Marka

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28

1 Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe:

2 Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

3 Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).

4 Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,

6 ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.

7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;

9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

11 Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;

12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.

13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.

14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?

15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.

16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

Evanjelin’i Matio 3:16 - Jesus\' Baptism
Jesus\' Baptism
17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

<< ← Prev Top Next → >>