Ny Baibol, Evanjelin’i Matio, Chapter 21. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10950&pid=42&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Evanjelin’i Matio

Ny Baibol

Evanjelin’i Matio Evanjelin’i Marka

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28

1 Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:

2 Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.

3 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy.

4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:

5 Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak. 9. 9).[Gr. mitondra zioga]

6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy,

7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.

8 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.

9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[Hosana = vonjeo re!]

Evanjelin’i Matio 21:9 - Palm Sunday Entry by Jesus
Palm Sunday Entry by Jesus
10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?

11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.

12 Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;

13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).

14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.

15 Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy

16 ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)?

17 Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.

18 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.

19 Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[aviavimbazaha]

20 Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?

21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.

22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.

23 Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?

24 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:

25 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[Na:nieritreritra]

26 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.

27 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.

28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.

29 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.

30 Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.

31 Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

32 Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.

33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.

34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra.

35 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.

36 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.

37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.

39 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy.

40 Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?

41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy.

42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).

43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.

44 Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.[Gr. haely toy ny vovoka]

45 Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.

46 Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.

<< ← Prev Top Next → >>