Ny Baibol, Evanjelin’i Matio, Chapter 22. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10951&pid=42&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Evanjelin’i Matio

Ny Baibol

Evanjelin’i Matio Evanjelin’i Marka

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28

1 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:

2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.

3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.

4 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.

5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.

6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.

7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.

8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.

9 Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.

10 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.

11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.

12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.

13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.

15 Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.

16 Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.

17 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?

18 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?

19 Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.

20 Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?

21 Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

22 Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.

23 Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:

24 Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).

25 Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;

26 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.

27 Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

28 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.

29 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.

30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.[Na: (anjelin'Andriamanitra)]

31 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:

32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.

33 Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.

34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.

35 Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:

36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?

37 Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).

38 Izany no didy lehibe sady voalohany.

39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.

41 Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:

42 Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.

43 Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:

44 Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?

45 Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

46 Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

<< ← Prev Top Next → >>