Ny Baibol, Asan’ny Apostoly, Chapter 8. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11026&pid=46&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Asan’ny Apostoly

Ny Baibol

Evanjelin’i Joany Asan’ny Apostoly Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28

1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.

2 Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.

3 Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.

4 Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.

5 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.

6 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.

7 Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.

8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.

9 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;

10 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.

11 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.

12 Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.

13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.

14 Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.

15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.

16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy.

17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.

18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy

19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.

20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.

21 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.

22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.

23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.

24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.

25 Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.

26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.

27 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;

28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany

29 Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.

30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?

31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [ Gr. mitari-dalana]

32 Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;

33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [ Na: ny fianakaviany]

34 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?

35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.

Asan’ny Apostoly 8:35 - Philip and the Ethiopian
Philip and the Ethiopian
36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?

37 [ Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]

38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.

39 Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

<< ← Prev Top Next → >>