Ny Baibol, Asan’ny Apostoly, Chapter 10. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11028&pid=46&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Asan’ny Apostoly

Ny Baibol

Evanjelin’i Joany Asan’ny Apostoly Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28

1 [Ny amin'i Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;

2 ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.

3 Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.

4 Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.

5 Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;

6 mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.

7 Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro.

8 Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.

9 Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.

10 Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy

11 ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;

12 ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.

13 Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.

14 Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.

15 Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.

Asan’ny Apostoly 10:15 - Peter\'s Vision
Peter\'s Vision
16 Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.

17 Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady,

18 dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.

19 Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;

20 fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.

21 Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo atỳ?

22 Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.

23 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.

24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.

25 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.

26 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.

27 Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.

28 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.

29 Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?

30 Dia hoy Kornelio: Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako

31 ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao.

32 Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.

33 Koa niaraka tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian'ny Tompo anao.

34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra;

35 fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.

36 Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),

37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,

38 Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.

39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;

40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,

41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.

42 Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.

43 Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.

44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.

45 Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

46 Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:

47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.

48 Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.

<< ← Prev Top Next → >>