Ny Baibol, Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana, Chapter 5. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11116&pid=54&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana

Ny Baibol

Epistolan’i Paoly ho an’ny Kolosiana Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana

Chapter 1 2 3 4 5

1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,

2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.

3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.

4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.

5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.

6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. [ Gr. hiari-tory]

7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.

8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.

9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,

10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.

11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.

12 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,

13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.

14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.

15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.

16 Mifalia mandrakariva.

17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.

18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.

19 Aza mamono ny Fanahy.

20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.

21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.

22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.

23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.

24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.

25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.

26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.

27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. [ Na: (rahalahy masina)]Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

<< ← Prev Top Next >>