Ny Baibol, Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote, Chapter 2. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11127&pid=57&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote

Ny Baibol

Epistola voalohan’i Paoly ho an’i Timote Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote Epistolan’i Paoly ho an’i Tito

Chapter 1 2 3 4

1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.

3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.

4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.

5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.

6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.

7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,

9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.

10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.

11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;

12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;

13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

14 [Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,

15 Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. [ Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin']

16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,

17 ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [ Gr. gangrena]

18 izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany.

19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."

20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.

21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.

22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.

23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.

24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,

25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]

26 ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]

<< ← Prev Top Next → >>