Ny Baibol, Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo, Chapter 4. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11137&pid=60&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo

Ny Baibol

Epistolan’i Paoly ho an’i Filemona Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo Epistola Jakoba

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13

1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.

2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre. [ Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy]

3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.

4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3).

5 Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11].

6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,

7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)

8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.

9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [ Na: izy]

11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.

12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.

13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.

14 [Fampitahana an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.

15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory. [ Gr. tandrifin'izany]

16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory. [ Gr. tandrifin'izany]

<< ← Prev Top Next → >>