Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola Jakoba

Ny Baibol

Epistolan’i Paoly ho an’ny Hebreo Epistola Jakoba Epistola voalohan’i Piera

Chapter 1 2 3 4 5

1 [Fananarana ny tia ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny fitondran'Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo?

2 Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [Na: mialona]

3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.

4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.

5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro. [ Na: ny Soratra Masina hoe] [ Na: izay mitoetra ato anatintsika] [ Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana]

6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34].

7 Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.

8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.

9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.

10 Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

11 Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.

12 Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?

13 He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,

14 kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.

15 Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.

16 Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.

17 Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.

<< ← Prev Top Next → >>