Ny Baibol, Epistola voalohan’i Piera, Chapter 3. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11154&pid=62&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola voalohan’i Piera

Ny Baibol

Epistola Jakoba Epistola voalohan’i Piera Epistola faharoan’i Piera

Chapter 1 2 3 4 5

1 Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),

2 rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.

3 Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;

4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.

5 Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;

6 dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.

7 Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.

8 [Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,

9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.

10 Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;

11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.

12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).

13 Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?

14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;

15 fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,

16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.

17 Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.

18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,

19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,

20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,

21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [ Na: fanontanian'] [ Na: amin'] [ Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

22 Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

<< ← Prev Top Next → >>