Ny Baibol, Apokalipsa, Chapter 22. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11189&pid=68&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Apokalipsa

Ny Baibol

Epistola Joda Apokalipsa

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22

1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry

2 teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.

3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy

4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.

5 Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.

6 [Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.

7 Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.

8 Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.

9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.

10 Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.

11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.

12 Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.

13 Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.

15 Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.

16 Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.

17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.

18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;

19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.

20 Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena. [ Na: (Jesosy Kristy)]

21 Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena. [ Na: (Jesosy Kristy)]

<< ← Prev Top Next >>